Nofy atoandro ve ?!

"Zà mba ameo vola !" hoy ilay 4'mi !

iradera | 11 Mey, 2006 11:26

Fahantrana tsisy ohatr'izany ! Raha mandeha eny Analakely ianao ankehitriny, dia mahatsapa fa maro loatra ireo olona mpangataka !

Ontsa tokoa nge ny fonao rehefa hanaovany mampalahelo eo ianao e ! Asiany an'ilay hoe mba hividianany vary hono fa efa elabe izy tsy nihinankanina !

Dia manome ny tena fa mba mieritreritra hoe mba efa nisy fotoana sahirana ihany dia nisy nanampy !  Mampalahelo anefa fa dia ny ampitso izy dia iny fa mbola hitako eo ihany ! Ary efa samy manana ny "secteur"-ny an ! Ady be raha vao mifangalatra faritra !

Zany hoe tsy nanova ny fiainany mihitsy nge zany lé saika hoe fanampiana azy e ! Ny vao maika loza dia ity : lasa manao andiany kely mihitsy izy ireny ka tsy zaza tsy olondehibe fa dia mangataka foana ! Tezitra aza aho nahita fa zaza mbola trotroina dia efa entin-dry zareo manao "marketing" fangatahana ! Mba hoavy ohatry ny ahoana no homanin'ireo ray amandreniny @ izany ? 

Dia inona no hataon-draFANJAKANA ? Raha nandeha tany ampitandranomasina aho indray mandeha dia fahiny hono, rehefa tonga ny vahiny dia nahita pancartes hoe "NE DONNEZ PAS D'ARGENT A NOS ENFANTS SINON ILS N'IRONT PLUS A L'ECOLE !"

Fehiny : Rehefa tsy hanao inoninona ihany ny fanjakana, (tsy misy ny centre social mikarakaraka ireny na tsy ampy ny isany) dia aoka isika mba TSY HANOME MIHITSY IRENY MPANGATAKA IRENY FA LASA FAHANTRANA FADIRANOVANA KOKOA NY AZY DIA NY FAHANTRAN'NY SAINA !

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb