Nofy atoandro ve ?!

Jiosy hono isika malagasy !

iradera | 08 Mey, 2006 11:53

Tsara ve izany sa tsia ? Tsy mbola fantatro fa mbola manofy atoandro foana aho hatramin'izao mandinika ny voalazan'dRangahy iny.

Fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra teto Antananarivo no nanasa Mpitandrina iray nanazava io lohahevitra io.

Tamin'ny andron'i Mosesy hono dia nita ny ranomasina mena ny Jiosy avy tany Egypta ka niparitaka rehefa afaka tamin'ny ziogan'ny Farao.Dia nisy tamin'ireny tonga taty Madagasikara ka niorimponenana teto. Porofo naroso tamin'izany ny loharano nipoiran'ny teny maromaro ampiasaintsika malagasy ary koa ny anaran'ny foko samihafa eto toa ny Betsileo, Antemoro, Merina, Antanosy,...(azafady @ izay tsy voatonona). Manginy fotsiny ny karazana fombafomba toa ny fiforana, ny fitondrana ny lamba, ny fahaizana mamaky teny hebreo hono (anontanio ny havantsika antemoro)

Ndeha ary ekena izany ! Iray ihany ange izany isika gasy e ! Tsy tokony hipetraka ny fanavakavahana ara-poko satria loharano iray no nipoirana ! Mety hoe ny fotoana lany nitaniana andro no maha-mainty na maha-fotsy na koa mahazarazara ! Fa iza no nampiditra ny fizarazarana ?

Manaraka izay, isika ve no mifampidokan-tena sa dia tena marina ilay resaka hoe maranitsaina na "intelligent" isika gasy ? Toetra nolovaina tamin'ny tarazo jiosy ve izany ? Isika kosa ary efa misy milaza mahita ny fanefitry ny SIDA kou !

Dia raha tohizana ny resaka dia havantsika koa zany reo jiosy any Jerosalema ô ? Dia hiady amin'ny Palestinianina kou zany isika sa aôna? Dia aiza ny mba anjara pétrole-ntsika sitrany hahay midina ny vidiny eny amin'ny TOTAL, SHELL, GALANA, JOVENNA. Tena vao maika miakatrakatra zany nofinofy zany an !

Ôk'izay fa tsy hifoha eo ntsony aho ka ! Aleo tsitsiana amin'ny manaraka ny nofy !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb