Baraingo ?????
iradera | 11 Mey, 2006 10:37
Naroso ary ny porofo maha-jiosy ny malagasy ! Mitondra inona ho antsika anefa izany ?
"Nofy atoandro ve ?" no anarana nomeko ity blaogy ity ! Hisarika anareo kosa anefa aho hijanona kely ety antany mandritra ny hamakianareo ity !
- Inona no hasetry ny havantsika tsy merina raha manontany ny fiaviany izy satria izany ny merina sy ny antemoro ihany no taranaky ny mpanjaka jiosy ? Iza no hatao taranaky ny mpanompo ny mpanjaka ? Tsy rafim-piaraha-monina efa nilaozan'ny toetrandro va izany ? Manampy ny kapoakam-bary arotsaka ve ny fahafantarana izany ?
Raha alefa kely ny saina, sao lahy hetahetam-boninahitra no ao ambadika e ? Hita fa tsy misongadina ny tena ankehitriny na misongadina fa te-hiakatra sy hiavaka misimisy kokoa dia avoaka io tetika iray ihany izao ? (Mahafantatra olona aho izay milaza ny tenany ho taranak'izao na izaroa nefa mipetraka @ trano fisoko mampalahelo !)
Tsotra ny hevitro: Maharesy lahatra tokoa ny porofo naroso nefa raha mitondra fizarazarana dia aleo hidaboka ! Raha misarika ny hafa hanorina secte ihany koa dia atsaharo ! Tandremo koa sao lasa sakana tsy hitondra antsika ho amin'ny fandrosoana ny hevitra toy izany ! Ifotory ny zava-misy soatoavina efa fantatra toa ny fihavanana, ny fifandeferana fa ireny no tena mampandroso !
PS :
Fanampim-panazavana : Raha niteny aho hoe aiza ny anjara solika antsika (jereo ny lahatsoratra taloha) dia izao no tiako nambara : Fantaro ary fa ny Jiosy amerikana no mitana ny hampahany be dia be @ ireo orinasa mpitrandraka solika ao @ Golfe Persique ! Marina fa ny arabo no tompon'ny tany fa azonareo heverina ve hoe impirin'ny haren'ireo arabo ireo no azon'ny orinasa mpitrandraka solika ? Eritrereto ange e !