Nofy atoandro ve ?!

Privatiser-o ny fonja e !

iradera | 19 Mey, 2006 06:04

Lasa ny saiko ! Miakatrakatra indray ny nofy atoandro ! Maninona moa raha atao privatisation ny fonja ?

Mba misy ireny sary mandeha @ télé ireny mampiseho ny univers carcéral eto amintsika ! Dia tena mandreraka be ny mieritreritra azy ! (Eto aloha aho dia manamarika fa tsy fitsarana ny gadra no atao eto satria sehatra iray manokana iny ka apetraka any !)

Aiza moa isika no tsy kianin'ny Fikambanana misahana ny Zon'olombelona ? Mba inona moa no fanarenana azo antenaina ho an'ireo izay voatana eny ? Tsy vao maika mivary lavo ve ? Dia mba eritrereto hoe tondro-molotra no maha-lasa anao eny ange e ! Areti-tsaina angamba no voandalana mandra-paha-voaporofo hoe tsy meloka ianao !

Dia eto no maha-lasa saina aho, maninona moa raha apetraka @ fitantanana tsy miankina ny fonja ? Tombony maro no mety ho azo :

  • Azo hitakiana ny opérateur handray izany ny hanajana ny fenitra iraisam-pirenena hitondrana ny fonja !
  • Miampy ireo "infrastructures" (foto-drafitr'asa) izay tsy hananan'ny fanjakana amin'io lafiny io.
  • Mety hihena ny "criminalité" satria mba azonao antsaina moa fa any amponja no tena quartier général mikotrika ny asa ratsy eto @ tanana ?
  • ....

Dia ahoana no lalana hatongavana @ izany ? Satria raha resaka rentabilité dia tsy mampidi-bola ny fonja hatr@ izao !

Nefa tsy ho azo eritreretina ho orinasa kely ve izy @ izany ? Dia ohatr'ireny zone franche ireny e ! Main d'oeuvre ihany koa ange ireo jiolahy ireo e ! Sao mba lasa re-converti ho mpanjaitra maty hanina ny sasany @ izy ireny dia azo récupérer-na aty @ fiaraha-monina rehefa mivoaka ?

Eo koa ny fanjakana, terena hanome lé sôsy kely fandraisana anjara satria anjara asany izany !

Aza omena tsiny aho ry ireto fa nofinofy fotsiny ny ahy iny e !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb