iradera | 15 Mey, 2006 13:21
Mifanao fangalam-piery ny pôlisy sy ny mpivarotra CD piraty ! "Niditra bord" ny sasany nefa ny ampitso dia iny ndray fa mizara ny nouveautés !
Maivoka mihitsy ny mpanankato gasy fa tsy mivoaka akory ny sangan'asany dia efa misy mahita clip izany eny @ ireny mandehandeha ireny ! Lany mondro kely miditra studio sy manao izay mety nefa hehehe ! Mbola vokatra antenantenany any @ studio (maquette intermédiaire raha izay no azo hilazana azy) dia efa mivoaka eny antsena ! Mitombina foana io na artista mpihira na mpamokatra horonantsary !
Dia mirotsaka antsehatra mihitsy ny mpanankato sasany manao ny asan'ny pôlisy ! Mifanao totohondry @ mpivarotra piraty ! Asa aloha fa tsy mbola nahita an-dry zalà mpanao film karate sy kungfu gasy aho nanenjika fa ngamba tena azo hatao séquence anà film iray mihitsy an ! hahaha
Fa ny tombony kosa aloha dia ity : ireny piraty ireny nge ka maha-araka ny box office any ivelany mihitsy e ! Raha @ iny lafiny iny ndray dia milay mihitsy ! Mialona mihitsy ny gasy any andilambato satria mbola any @ salle de cinéma hifampitadiavana ny ticket dia ny eny Analakely efa misy mitondra ! Fanampin'izay, moyen de contraception iray koa io satria manampy isa ny fialamboly ! hahaha
Amin'ny lafiny politika : Que demande le peuple ? Omeo kilalao izy rehefa tsy misy ihany ny mofo e !
Tsy tsara ve izany raha ity karazany pirate farany ity ary raha sokajiana ho pirate légal e ! Dia mba hanaovana IEC ry zalà hoe avelao ny kanto malagasy mba tsy somparana ? Dia mba endrika protectionnisme économique iray koa iny ?
Zay ndray ilay nofy atoandro ....
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |